Fahasalamana

Mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka Mila fantarina ireo fanamiany


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Mba hanamorana ny fifandraisana sy ny fandaminana andraikitra amin'ny fitsaboana ny marary, indrindra, manoloana ny fiparitahan’ny karazan’aretina ankehitriny, dia heverin’ny minisiteran’ny

fahasalamam-bahoaka, hoy ny fampitam-baovao fa isan’ny manampy ireo manana marary ny mahafantatra ireo fanamiana mampiavaka ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka isanisany. Tsara, ho fantatra, araka izany, hoy ny fanazavana, fa ny Dokotera dia miloko fotsy no fanamiany. Ny Rasazy dia manao mavokely. Ny Infirmiera manao manga. Ny “Anesthésiste” na mpanala fanaintainana dia manao maitso antitra. Ny “Technicien de laboratoire" na tekinisianin’ny fitiliana dia manao maitso tanora. Ny “Agent d'appui” na iraka mpanampy dia manao manga lokon-dranomasina na "bleu marine", hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT