Fahasalamana

Mpiasan'ny fitehirizan-dra -HJRA Raikitra ny fitokonana faobe tsy voafetra


  • Zoma 03 Martsa 2017

Noferan’ireo mpiasa eo anivon’ny ivontoeram-pirenena momba ny fitehirizan-dra ao amin'ny hopitaly HJRA nanomboka omaly ny asa nosahanin’izy ireo.

 Tafiditra ao anatin’ilay fitokonana izay efa nampahafantarin’izy ireo afak’omaly izany ka ireo manana ny marary manome ra ho an’ny fianakaviany sy ny fizaran-dra sisa no asa notanterahin’izy ireo nanomboka omaly. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fanja Andrianavalojaona mantsy dia efa tapitra tamin’ny Alarobia teo ny fe-potoana nomen’izy ireo ny minisiteran’ny Fahasalamana ny amin’ny tokony hamaliana ny hetahetany raha efa iray volana izay no nisian’ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta. Anisan’izany ny fanesorana tsy misy hatak’andro ireo mpitantana tsy nahomby nandritra ny valo taona ka tsy nahitana intsony ilay vola mitentina 119 tapitrisa Ar,  ny tokony handoavana amin’ny mpiasa ny “prime de rendement” nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’ny 2016. Tena hiteraka voka-dratsy amin’ny fitadiavan-dra ho an’ireo marary eto an-drenivohitra io fitokonan’ny mpiasan’ny CNTS io raha araka ny fitarainan’ireo marary tonga teny an-toerana. Rehefa vitsy  mantsy ny ra dia hiakatra ho azy ny vidiny ka raiki-tahotra avokoa ny rehetra. Nanamafy ny fiaraha-mientany amin’ireo mpiasan’ny CNTS moa ireo mpanome ra an-tsitrapo  izay mbola nanamafy fa tsy tokony hovidiana ny ra fa ny paosy  ihany no vidiana ho fanavotana ny ain’olona. Raha nanontaniana moa ny talen'ny ivontoeram-pirenena momba ny fitahirizan-dra dia nilaza fa tsy mitombina ny fitakiana ary tsy manan-jo hitsara ny mety na tsy mety ao amin'ny toeram-piasana ny mpiasa fa misy ny rafitra manokana eo anivon'ny minisiteran'ny fahasalamana tompon'andraikitra amin'ny fanaovana izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT