Tsy misy atahorana ny ain’ireo ankizy mpianatra any Toliara tratry ny tsy fahasalamana tampoka taorian’ny fihinana ny ody kankana « Mebendazole 500 » no antony ny talata lasa teo.
Nilaza omaly ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Minisitra Mamy Lalatiana Andriamanarivo, fa efa nampiasaina tany amin’ny faritra hafa io fanafody saingy tsy nisy ny fiantraikany tamin’ireo mpianatra nihinana izany. Nametra-panontaniana mihitsy ny tenany hoe sao dia tsy nisakafo maraina ireo mpianatra nialoha ny nihinana ilay fanafody ? Nilaza moa ity farany fa horaisin’ny minisitera an-tanana ny fitsaboana ireo mpianatra ireo. Nambarany ihany koa fa hosokafana ny fanadihadiana mikasika ity toe-javatra ity. Nandray fanapahan-kevitra ny hampiatoana ny fanentanana sy fanomezana ody kankana ho an’ny mpianatra aloha ity Minisitera ity sy ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Mahagaga sy mahatalanjona ihany anefa ny fanehoan-kevitry ny minisitra, izay toa niala bala tamin’ity zava-doza ity sy te hilaza fa tsy vokatry ny ody kankana nomena ireo ankizy no nitera-doza. Andrasana izay ho valin’ny fanadihadiana fa ny zavatra niraisan’ireo ankizy aloha dia taorian’ny fihinana ilay ody kankana no nahavoa azy ireo.Fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro ny hoe:ara-dalàna tsara ve ireo fanafody ireo, tsy lany andro ve ?Manara-penitra ve nitaterana sy nitahirizana azy mialoha ny nizarana azy.Dia ho hita eo tokoa ny marina raha toa ka misy marina ny fanadihadiana sy tatitra matotra ataon’ny ministeran’ny fahasalam-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.