Fahasalamana

Mpianatra Paramed mizatr’asa Tsy maintsy mandoa vola ny sekoly vao azo raisina ?


  • Talata 28 Martsa 2023

Efa ho herin-taona izao no tapaka tanteraka ny fianaran’asa tokony hatrehin’ireo mpianatra ho Paramed eny anivon’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana eto amintsika eny anivon’ireo hopitalim-panjakana maro

isan-karazany. Fanapahan-kevitry ny DIFP na ny direction des instituts de formation des paramédicaux io raha araka ny loharanom-baovao azo, tranga izay tsy mbola nisy ary tsy mbola niainan’ireo sekoly ambony tsy miankina hatramin’izay teto amintsika.
HATRAMIN’NY 1 400 000 ARIARY
Tsy maintsy midina mijery ilay sekoly hono mantsy ny DIFP ary mandoa vola 1.200.000 ka hatramin’ny 1.400.000 Ar ilay sekoly ambony iray vao mahazo taratasy izy ireo fa afaka mianatr’asa eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny mpianany. Raha mankany amin’ny faritany indray ny DIFP manao izany fidinana ifotony izany dia fantatra fa mitambatra ireo sekoly ambony misy ao amin’ilay toerana ka handoavana 14.000.000 Ar izy ireo miampy ny sakafo hohaniny sy ny fandaniany rehetra…. Raha araka ny fitarainan’ireo sekoly ambony tsy miankina hatrany moa dia tsy nanaiky izany ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka vaovao teo aloha teo. Ankehitriny anefa dia toa mangina izy raha tsy miditra amin’izany kosa ary tsy manaiky izany velively hoy ny vaovao ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony izay tena mpiahy ireto sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ireto. Fifamalianabe vokatr’izany no nihafaran’ilay fivoriana notanterahin’ny roa tonta tetsy Mahamasina ny faran’ny herinandro teo ka tsy nisy ny zavatra tapaka. Raha tsy fidiny izany. Fanontaniana napetrak’ireo sekoly ambony araka izany ny hoe : tsy mahalala io tranga io ve ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka vaovao ankehitriny sa izao no manome baiko ity sampandraharaha iray ity haka volabe amin’izy ireo ?
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT