Fahasalamana

Mpianatra mpitsabo – HJRA Tsy hiasa raha tsy mivaly ny fitakiana


  • Talata 30 Jona 2020

Nitokona ireo mpianatra taona faha-7 sy faha-8 izay efa mandray an-tànana ny marary sy miasa ao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha omaly.

 

 

 

Anton’io ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izay mahazo ny hopitaly iasan'ireto mpianatra mpitsabo, nefa tsy misy fitaovana fiarovana azon'izy ireo, tsy misy tambin-karama na “indemnité”, kanefa dia miasa andro aman'alina. Rehefa nifampidinika maharitra tamin'ireo tompon'andrikitra kanefa tsy nisy vahaolana mazava naroso, dia nanapa-kevitra niroso tamin’ny fitokonana, mitaky ny hanomezana fitaovana fiarovana azy ireo, mitaky ihany koa ny indemnité izay efa nampanantenain'ny Filoham-pirenena,... Re fa tsy hiverina hiasa raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo. Tapa-bolana lasa izay no efa nisy ny hetsika fanairana nataon’ny Paramed, saingy teo am-bavahadin’ny HJRA dia efa voasakan’ny mpitandro filaminana nirongo fitaovam-piadiana. Tsy vao izao ity olana ity mazava ho azy, fa efa fotoana naharitra, saingy tsy mbola nisy izany ny vahaolana matoa misy ny fitokonana. Vao mainka tandindonin-doza ny fitsaboana sy ny tontolon’ny fahasalamana, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra mafonja ataon’ny fanjakana satria matahotra ny ainy ihany koa ireo mpitsabo. Ny valanaretina anefa miparitaka hatrany. Mbola mihidy ny bloc fandidiana ao amin’ny HJRA, ka ireo marary mafy ihany no raisina ao, ary mbola diovina ny toerana satria mihanaka ny valanaretina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT