Tsy mampitovy hevitra ny minisiteran’ny fanabeazana sy mpitantana ny sekoly katolika iray ny filazana fa matin’ny pesta ny mpianatra iray. Mpianatra, kilasy faha-8 tao amin'ny sekoly katolika "Jean 23" Isotry no voamarina fa namoy ny ainy noho ny aretina pesta aretin-tratra ny alatsinainy 30 oktobra.
Nianatra io zaza io ny alarobia 25 oktobra, fotoana niverenan’ny sekoly katolika sasany nianatra ary naiditra hopitaly ny alin'io, araka ny tatitra nataon’ny minisiteran’ny fanabeazana. Misy moa ny "médecin inspecteur" manara-maso ny "traitement" an'ireo ankizy iray kilasy tamin'ilay zaza. Araka ny efa nambara tamin’ny rehetra, malalaka ny safidy ary tsy an-tery ny naoty navoakan’ny minisitera tamin’ireny fotoana ireny mikasika ny fampitsaharana ny fampianarana, hoy ny talen’ny serasera Titoara Serge Thierry. Nisy ny sekoly tsy miankina nanaraka ary nisy ihany koa ny niditra nialoha noho ny antony samihafa. Tsy hifanomezan-tsiny io. Mikasika iny toe-javatra teny Isotry iny kosa, mahatoky amin’ny vaovao avoakany ny minisitera ary mangarahara ny vaovao avoaka, hoy izy. Nilaza kosa ny teo anivon’ny sekoly fa tsy mitombina mihitsy ny filazana fa matin’ny pesta io ankizy io. Natao ny dingana rehetra fa tsy marina izany, ary tsy azonay antoka mihitsy fa pesta no nahafaty azy fa “Angine” na aretin-tenda mahery vaika. Tsy voatsabon’ny dokotera tao an-toerana, ary nentina tany amin’ny dokotera hafa dia mbola izay ihany, hoy ny sekoly. Tsy nahitana tranga hafahafa fa dia izay, ka tsy marina io voalaza io. Tsy hay aloha na misy hifandraisany amin’ny resaka tsy fifankahazoana teo amin’ny minisitera sy ny sekoly katolika tamin’ny alalan’ny DIDEC izy na fifanandrifian-javatra ihany. Ny mahagaga, nahoana no notononina hatramin’ny toerana sy ny anaran’ny sekoly ? Toa miendrika fanalam-baraka sy famelezana manokana ny sekoly katolika ihany mantsy ny zava-misy, raha ny fanehoan-kevitry ny olona sasany. Efa maro ny trangana pesta nahafaty olona sy naharariana olona tamina sampandraharaham-panjakana na orinasa teto an-drenivohitra, saingy tsy nisy resabe, fa nahoana no niparitaka haingana ity tranga teny Isotry ity. Efa nisy, ohatra, ny mpanao gazety voan’ny pesta, saingy tsy nampahafantarina ny momba azy mba hitandroana ny fahafaham-baraka ho an’ny olona voa sy ny orinasa iasany. Ity kosa tonga dia nabaribary. Tsy atao mahagaga raha misy ny mihevitra fa natao hamelezana sy hanalana baraka manokana ny sekoly katolika iny toe-javatra iray iny.Nanamafy moa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Lalatiana Randriamanarivo fa matoa ambara ny olona iray hoe matin’ny pesta dia efa nisy ny fitsirihana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny hopitaly ary nohamafisin’ny Institut Pasteur ka noho izany tsy misy iadian-kevitra intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.