Fahasalamana

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

sy mankasitraka ny hanohizana ny fampianarana "en ligne"

 

T

Tsy maintsy hatao en ligne ny fanohizana ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo raha araka ny fanapahan-kevitra tapaka tao anatin’ny fivorian’ny COPRIES. Ireo mpianatra efa mamaramparana ny taom-pianarana no voakasin’izany izay marihina fa efa lasa nody any amin’ny faritra sy any ambanivohitra namonjy ny Ray aman-dReniny avokoa ny ankamaroany noho ny fiparitahan’ny tsimokaretina coronavirus. Manoloana io tranga io dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny fikambanan’ireo mpianatra avy amin’ny faritra 22 ka nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy mety io fanapahan-kevitra noraisin’ny COPRIES io. Tsy mitovy mantsy ny fari-piainan’ny tsirairay avy amin’ny fananana connexion handraisana ny laza adina sy ny hanaovana ny devoara hoy izy ireo izay mitaky e mail. Ho an’ny sasany hoy hatrany izy ireo na dia ny trano fonenany aza any amin’ny toerana mbola tsy misy jiro, ny finday hampiasainy mbola foza, hany ka lasa tsy mitovy zo amin’ny fahazoan’ny mpianatra fahalalana feno. Mangataka amin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hanohizana ny fampianarana toy ny teo aloha ihany izy ireo araka izany saingy manaja sy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra kosa toy ny fanaovana aron-tava, ny fanajana ilay 1 metatra, ny fanasan-tanana amin’ny savony mialohan’ny hidirana sy hivoahana ny efitrano fianarana…. Tsiahivina moa fa mbola ny 13 %-n’ny tokantrano Malagasy hatreto no manana connexion raha miaina amin’ny fampiasana finday avokoa ny ambiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT