Fahasalamana

Mpianatra ao amin’ny T6, T7 ary T8 Nozaraina boky hahafahany mampiana-tena


  • Talata 12 Mey 2020

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly Alatsinainy 11 May teny amin'ny CEG Ambanitsena, fari-piadidiam-pampianaran’i Manjakandriana, ny fizarana ireo boky hahafahan’ireo mpianatra mampiana-tena na "livret d'apprentissage" antsoina ihany koa hoe "livret essentiel".

 

 

 

 

Natokana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny T6, T7, T8 ary T9 ireo boky ireo. Mahakasina ireo taranja fototra telo dia ny Malagasy, frantsay ary matematika ireo boky irep. Tanjon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa raha namokatra ireo boky ireo ny hanatevina ny fahalalana efa azon’ireo mpianatra sy hikolokolo ary hanamafy ny fitadidian’izy ireo. Ireo boky ireo rahateo dia ahitana famintinana lesona, fampiharana ary paika samihafa hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiharana sy fanitsiana. Hanampy ireo mpianatra hahafahan’izy ireo mampiana-tena mandritra izao vanim-potoanan’ny fihibohana izao ny fisian’ireo boky ireo raha ny nambaran’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa Andriamanana Rijasoa, ankoatra ny famokarana ilay fandaharana « za koa mba te-hahay » sy « kilasy pour tous » izay mandeha amin’ny haino aman-jery . Hisitraka ireo boky ireo avokoa ny mpianatra amin’ny faritra 22 raha ny fanazavany satria miisa 636.000 ireo boky novokarina sy hozaraina ireo, izay ny UNICEF no namatsy ara-bola izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT