Fahasalamana

Mpanotra mamoafady Manimba ireo ara-dalàna


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Dimy andro lasa izay no nankalazan’ireo mpitsabo nentim-paharazana ny andron’izy ireo tetsy Tsaralalana.

 Hatramin’izao dia misedra olana hatrany ireo mpitsabo ara-dalàna eo amin’ity sehatra ity, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny otra iray avy eo anivon’ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ny AMTM, Mialy Andriantsivelany. Mahavelombolo, raha ny fahitany azy, ny fitiavan’ny olona mampiasa akora natoraly eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana ary antony mahamaro be ireo misafidy ny hitsabo tena amin’ny alalan’ny fomba nentim-paharazana izany satria tsy dia te hirona any amin’ny fanafody misy akora simika intsony izy ireo. Ny mampalahelo fotsiny, ho anay izay mitsabo amin’ny alalan’ny otra manokana dia ny fisian’ireo mpanotra sasany mampirona any amin’ny fampilana ara-nofo ny mpanjifany. Mbola miantso ny fanaraha-mason’ny fitondram-panjakana hatrany, araka izany, ireo mpitsabo ara-dalàna.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT