MPANOME RA AN-TSITRAPO

60 isan’andro ireo tonga manatona ny CNTS


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Manodidina ny 60 isa isan’andro ireo olona tonga manatona manome ra an-tsitrapo etsy amin’ny

Centre National des transfusions Sanguines etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha amin’izao. Tena tsy ampy izany raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Tena marobe tokoa mantsy ireo olona mila ra eto an-drenivohitra isan’andro toy ny mpiteraka, ireo manana aretina tsy ampy ra, ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana, ireo olona mila fandidiana… Raha ra 1 paosy mantsy no ilain’ny marary iray hoy hatrany ny fanazavana dia tsy maintsy soloina 2 paosy izany eny amin’ny hopitalim-panjakana ho fikajiana ny tahirin-dra. Polisy miisa 250 araka izany no tonga nanome ra teny amin’ny CNTS afak’omaly Sabotsy 28 Septambra. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany moa dia ho fanampiana ny mpiara-belona mila famonjena no antony nanaovana izany. Mbola mahatratra hatrany amin’ny 120 paosy isan’andro mantsy ny ra ilaina hamonjena ireto farany raha kely isan’andro. Tsiahivina fa olona salama tsara, mihoatra ny 50 kg, no afaka manome ra na lahy na vavy. Tsy tonga fadim-bolana ho an’ny vehivavy no sady tsy bevohoka ihany koa.
Pati
Legende : Famonjena aina ny manome ra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT