Fahasalamana

Mpanao gazety Andry Ratovo 360 tapitrisa Ar no ilaina amin’ny fitsaboana azy


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Efa am-bolana izao no nidiran’ny mpanao gazety namana Andry Ratovo tany amin’ny hopitaly. Tsy arak’ireo vady aman-janany sy ny fianakaviany intsony ny fitsaboana azy.

 

 Na dia efa betsaka aza ireo hetsika fitadiavam-bola madinika notanterahin’izy ireo. Efa tonga any amin’ny dingana farany mantsy ny aretin’ny voa mahazo azy raha araka ny fanazavan-dRahelinirina Fanja vadiny tamin’ny mpanao gazety omaly izay tokony hanaovana dialyse in-telo isa-kerinandro mandrapahafatiny  amin’ny lela-vola 250.000 Ar isaky ny mandeha. Hatreto dia ny fanaovana izany in-droa isan-kerinandro sisa no vitan’izy ireo raha vahaolana maika katsahina kosa ny fandefasana azy any Inde hanaovana ilay “transplantation” hahafahany miaina maharitra eto an-tany. Mitentina hatrany amin’ny 360 tapitrisa Ar  anefa ny vola ilaina amin’izany,  antony nanosika ny fikambanan’ny mpanao gazety tanora ( Association des jeunes journalistes de Madagascar) hikarakara tolo-tanana ho azy. Ny Talata 16 Mey ho avy izao no hanatanterahana izany etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva. Antsoina amin’izany ny olon-drehetra mba ho avy hanolotra izay voatsirambin’ny tànany entina hanohanana ity mpanao gazety namana iray ity. Mikasika ny fitondram-panjakana manokana dia hangatahin’ny vadiny ny hampidirana  ny anaran’i Andry Ratovo ao anatin’ireo olona afaka manao dialyse maimaimpoana eny anivon’ny hopitaly Befelatanana na HJRA Ampefiloha.  Tsiahivina fa efatra mianadahy ny zanak’i Andry Ratovo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT