Fahasalamana

Mpampivelona eto Madagasikara Mbola tena tsy ampy isa


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Mbola tena tsy ampy ny mpampivelona eto amintsika. Mpampivelona iray mantsy miandraikitra vehivavy 50.000 raha tokony ho 5.000 isa izany. Eo an-danin’izay anefa dia tsy manana mpampivelona afa-tsy 3.000 isika eto Madagasikara.

Anisan’ny antony mbola mampahazo vahana  ireo reny  mitondra vohoka maty eo am-piterahana io. Toy izany koa ireo zaza menavava marobe mamoy ny ainy tsy fidiny. Ireo olona sahirana ara-pivelomana matetika no tena mahita faisana,  indrindra fa ireo miteraka eny anivon’ny hopitalim-panjakana. Saika hiharan’ny fanilikilihana hatrany mantsy izy ireny, indrindra fa ireo tsy manan-katoraka mihitsy, hany ka miafara amin’ny famoizany ny ainy. Miantso ny hiarovana hatrany ny ain’ny reny sy ny zaza araka izany ny UNFPA. Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona. Lohahevitra nampitondraina ny hetsika ny hoe : “Mandritra ny fiainan’ny reny sy ny fianakaviana, eo anilany foana ny rasazy”.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT