Fahasalamana

Moramanga Mirongatra ny aretina SIDA, tafakatra 141 ireo voany


  • Talata 04 Oktobra 2022

Tandindomin-doza tanteraka ny fahasalaman’ireo mponina ao Moramanga. Ilay areti-mandoza SIDA izay tsy mamela mahazo mihitsy mantsy no mandripaka ireo mponina any an-toerana ka fantatra fa efa nisy ireo namoy ny ainy.

Raha araka ny vaovao azo omaly hariva dia efa tafakatra 141 hatreto ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA ao Moramanga. Ny 60 amin’ireo no efa manaraka fitsaboana ao amin’ny tobim-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana ao an-toerana. Raha araka nyfanazavan’ny medecin inspecteur ao an-toerana dia mahatratra 8 ka hatramin’ny 12 isam-bolana ireo olona tratran’ity aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ity. Loharanom-baovao hafa azo kosa ny fahafantarana fa misy latsaky ny 18 taona ireo marary ireo raha efa mananika ny 60 taona kosa ny sasany. Saika ahitana ireo olona voan’ny SIDA avokoa moa manerana ireo Fokontany ao Moramanga indrindra fa amin’ireo misy vahiny hoy hatrany ny vaovao. Tsiahivina moa fa manodidina ny 420.000 ka hatramin’ny 450.000 isa eo ho eo ireo olona voan’ny SIDA eto amintsika amin’izao. Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny olona miaraka amin’ny tena ihany na ny vadin’ny tena no hany vahaolana hahafahana miady sy manalavitra ity areti-mandoza iray ity.
Nangonin’i Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT