MORAMANGA

100 isam-bolana ireo olona tratry ny tazomoka


  • Alarobia 08 Mey 2024

Mirongatra fatratra ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Moramanga.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mahatratra 100 isam-bolana ireo marary tonga manatona ny CSB II ka misy ireo efa tena manao cas grave mihitsy. Tsy ampy anefa ny fanafody omena ireo marary any an-toerana hatreto hany ka mahatsiaro ho sahirana ny mpitsabo. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny lay misy ody moka isan-tokantrano intsony izay tsy fantatra ny hanaovan’ny tompon-trano azy ka mampanahibe ireo tompon’andraikitra. Ankoatra ny fiovaovan’ny toetr’andro moa dia anisan’ny mampirongatra ny aretina tazomoka any an-toerana ny fisian’ny lobolobo tsy voasoroka ka mampahazo vahana ny moka. Toraka izany koa ny fanaovana dokotera tenany ho an’ireo tsy sahy manatona tobim-pahasalamana. Efa nisy moa ireo maty hoy hatrany ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana.
Pati
Legende : Anisan’ny mandray ireo olona tratry ny tazo mahery ny CSB II Amboasary gara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT