Fahasalamana

Morafenobe Mandravarava sy mamono ny tazomoka


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Mirongatra izay tsy izy ny aretina tazomoka manerana ny Distrikan’i Morafenobe efa ho tao anatin’ny telo herinandro, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

 

 

 

Lany anefa ny fanafody manerana ireo CSBII (Morafenobe renivohitra, Beravina, Andramy, Antranokoaky), izany hoe saika manerana ny distrika iray manontolo. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia efa nisy zaza roa vooamarina fa voan’ny tazomoka namoy ny ainy. Efa tapa-bolana no voalaza fa nandefa fanairana tamin’ny tompon’andraikitra foibe ireo tompon’andraikitra any an-toerana, saingy tsy mbola nahazo valiny mahafa-po, ka dia manao antso avo hatrany izahay eto Morafenobe, hoy ny fitarainana sy ny fampitam-baovao. Isan’ny tena namely sy namono olona maro ny tazomoka teto amintsika tamin’ity taona ity, saingy toa adinodino, fa ny Covid 19 no nibahan-toerana kokoa. Isan’ny nambara fa manasitrana tazomoka ny “gélule CVO+”, ka mety isan’ny hampiasaina hiatrehana ny zava-misy tahaka itony any Morafenobe itony izany io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT