Nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany ny toeram-pitehirizana fanafody SALAMA eny Tanjombato ny 10 oktobra teo, fa ampy tsara ny tahirim-panafody hiatrehana ny valan'aretina pesta. Efa misy rahateo ny fanaganana ny "cellule de crise" eo anivon'ny minisiteran'ny fahasalamana, mba mifehy sy miatrika ny valan’aretina.
Raha ny fanazavana natan’ny mpitondra fanjakana dia azo hiatrehana tsara ny marary hatrany amin’ny 5 000 ny tahirim-panafody. Efa nilaza kosa anefa ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny talen’ny fampiroboroboana Dr Manitra Rakotoarivony, fa tsy ampy ireo fitaovana hahafahana manao ny fitiliana haingana na ny TDR (Test de Diagnostic Rapide), ka ireo efa tena ahiana ho voan’ny pesta ihany no azo anaovana izany. Tsy misy ny fahafahana manao fitikiana ho an’ny sarambabem-bahoaka na ireo mety hanana ahiahy manokana. Manjavovozavo tanteraka ny zavatra rehetra, eny fa hatramin’ny fikirakirana ny antontan’isa aza. Nomena ny Biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny loza voajanahary (BNGRC) ny fampahalalam-baovao, saingy re fa miandry ny tarehimarika avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana hatrany izy ireo. Toa hampitarazohana sy hafenimpenina hatrany ny fanomezam-baovao, ka omaly izao dia tsy nahitana izany na ny tranokalan’ny minisiteran’ny fahasalamana na ny an’ny BNGRC. Raha ny antontan’isa efa ny faran’ny herinandro teo dia 63 no efa maty ary 610 ny trangan’aretina. Fanontaniana hafa ihany koa hoe manao ahoana ny lafiny ara-bola ? Ny BNGRC ve no mitantana ny fanampiana avy any ivelany sa ny fanjakana HVM ? Maro ireo volabe azo, izay tsy misy fangaraharana ny fitantanana azy, ary hilana fanazavana amin’ny antsipitrihany. Nisy, ohatra, ny volabe 9,5 tapitrisa Euros avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy mangarahara ve mikasika azy ireny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.