Fahasalamana

Mirongatra ny pesta Tandrevaky ny Fanjakana


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Efa nanomboka ny 28 aogositra 2017 no nahafantatra ny teo anivon’ny sehatry ny fahasalamana fa nanomboka tao Toamasina ny valan’aretina pesta amin’ny tratra (peste pulmonaire),

satria nanomboka tany dia efa nahalala izy ireo fa nisy lehilahy maty tampoka tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray avy any Ankazobe, faritra nahitana ny soritr’aretina teto amintsika, ary najanona tao Moramanga ny vatana mangatsiakany. Nandritra ny fikasany hihazo an’i Toamasina izao anefa dia efa namindra tamin’ireo olona niisa 18 niray fiara taminy ny tenany, nefa ireto mpandeha tsy nahalala ka izao tonga ao Toamasina izao ilay aretina. Tsy nanome tarehimarika ny efa maty sy ireo marary mitsabo tena ireo mpitsabo nandritra ny fiantsoana mpanao gazety nanazavan’ireo ekipan’ny fahasalamana ny raharaha tao amin’ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana. Ny fanadihadiana ifotony teny amin’ny fokontany natao no nahalalana fa efa am-polony ireo maty. Nisy ireo maty teny amin’ny hopitaly, teo koa ireo maty tany an-tranony noho ny tsy fahalalana. Voalaza fa Antseranampasika, Ambohijafy, Mangarano, Barikadimy ary Tanambao V no tena misy ireo olona voalaza fa mitondra ny soritr’aretina ao Toamasina. Olona manodidina ny 250 eo no zahana ara-pahasalamana sy mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be ankehitriny, noho izy ireo nifanerasera sy manodidina ireo efa maty sy ireo marary. Mitohy ny fanadihadiana, hoy ireo mpitsabo. Nanao antso avo amin’ireo olona niray fiara tamin’ny 28 aogositra nisy ilay rangahy maty tampoka najanona tao Moramanga izy ireo mba hanatona toeram-pitsaboana, hisorohana ny ho fiparitahan’ny aretina amin’ny kaominina sy distrika ary faritra hafa indray. Azo tsaboina tsara ny “pesta amin’ny tratra” raha hita mialoha ny soritr’aretina, saingy mahafaty ao anatin’ny 12 ora monja raha efa tena marary mafy vao manatona mpitsabo. Lasa bizina be ao Toamasina izao ny fanafody voalaza fa manalefaka ny fitrangany sy misoroka aminy dia ny “Cotrim”. Raha mbola novidina 1.000 Ariary hatramin’ny 1.200 Ariary izany andavanandro, nanomboka omaly dia misy sahady ireo mivarotra 5.000 Ariary ny fonosana iray. Nanampy trotraka koa ny fahataperan’ny tahiry teo amin’ireo mpivaro-panafody ao Toamasina, izay nifandrobahan’ny olona vao nahare ny fisian’ity valanaretina ity izy ireo. Hatramin’ny hopitaly aza lany tahiry ka voatery nividy tamin’ireo mpivaro-panafody ihany koa nitsaboana ireo marary sy ireo nahitana ny soritr’aretina manatona azy ireo hatramin’ny alatsinainy hariva teo.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT