MIRONGATRA NY GRIPA SY NY TAZO MAHERY

Hifanotofana ny eny amin’ny CSB II vokatry ny fahasahiranana


  • Talata 21 Novambra 2023

Tena tsy mahavita mandeha mitsabo tena eny anivon’ny dokotera tsy miankina intsony amin’izao ny ankamaroan’ny

Malagasy rehefa sanatria tojo tsy fahasalamana. Mila manana 60.000 Ar any am-paosy any mantsy raha kely vao mahazo fizaham-pahasalamana miampy fanafody vitsivitsy. Mbola mety mitombokely io lela-vola io raha sanatria tsy misy fiovana ny toe-pahasalamana ao anatin’ny roa na telo andro. Lasa misisika eny amin’ny CSB II avokoa ny ankamaroan’ireo marary vokatr’izany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nahitana gripa mahery miampy tazo teto amintsika efa ho iray volana mahery izao. Tsy mifidy taona izy io fa lasibatra avokoa na olon-dehibe na zazakely no sady haingam-pifindrabe. Raha olona iray no voa ao an-tokantrano ao dia tsy mijanona izany raha tsy lasibatra avokoa ny rehetra. Tsy vitsy ireo valalanina vokatr’izany nefa ny vola efa tsy misy. Vao amin’ny 07 ora sy sasany maraina noho izany dia efa any amin’ny laharana faha-37 ny olona iray marary tonga manatona CSB II. Midoika izany fa tena sahirana ny Malagasy nefa tsy maintsy mitsabo tena rehefa tojo tsy fahasalamana. Na izany aza dia fantatra fa misy vola aloha hatrany na dia CSB II aza no handehanana hitsaboan-tena saingy mba maivamaivana. 12.000 Ar ny mora indrindra amin’izany saingy mba efa misy tsindrona sy fanafody hafa kosa. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray moa dia ny fisotroana rano betsaka, ny fahampian’ny torimaso, ny fihinanana voankazo sy legioma no hany vahaolana hahafahana miady amin’ity gripa mahery ity raha tsy adino ihany koa ny fanaovana arovava orona hisorohana izany tsy hifindra.
Pati
Legende : Filaharambe tahaka izao vao maraina no misy eny amin’ireo CSB II maro isan-tsokajiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT