Fahasalamana

Mirongatra ny gripa mahery Tsentsina be ny orona, tsy mahare fofona…


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Efa ho tapa-bolana izao no nitaraina ny ankamaroan’ny olona fa misy gripa mahery miparitaka eto amintsika.

 Mitety tokantrano mihitsy izy io amin’ny ankapobeny ka ho an’ireo kelikely aina dia tsy amelany raha tsy mandamaka eo am-pandriana mandritra ny fotoana maharitra. Nanazava ny mikasika izany ny mpitsabo iray ka nambarany fa tena mirongatra be ireo aretina ireo amin’izao. Roa avo heny tamin’ireo marary voa tamin’ny taon-dasa no voa amin’izao no sady tsy mifidy taona. Tsentsina be ny orona, tsy mahare fofona. Ireo no fomba fisehon’ny aretina. Tsy manavy kosa anefa ilay olona amin’ny ankapobeny ary misy mety tsy marary an-doha akory, ao koa anefa ireo mahatsiaro ho tena mavesatra ny loha. Tsy misy hafanana ilay marary noho izany, tranga iray hanavahana ity gripa mahery ity amin’ny coronavirus. Omen’ny dokotera fanafody avokoa ireny karazan’olona ireny rehefa tonga manatona azy araka izany saingy tsy maintsy arahi-maso kosa ny fahasalamana aorian’ny 3 andro. Misy ihany koa ilay karazana fitsapana hatao azy toy tsy fahafahana miaina mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 segaondra. Raha sanatria sempotra ilay marary mandritra izany dia misy ny fepetra hafa raisina mikasika azy. Raha tsy sempotra kosa izy dia azo antoka fa ilay gripa mahery no nahazo azy. Nomarihin’ity dokotera ity moa fa tsy voatery ho voan’ny coronavirus avokoa ireo olona tsy mahare fofona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT