MIRONGATRA NY GRIPA MAHERY

Manentana ny hanaovana arovava orona ny tompon’andraikitra


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Mirongatra ny gripa mahery eto amintsika efa ho iray volana sy tapany izao.

Olona 20 isan’andro raha kely no tonga manatona dokotera tsy miankina iray vokatr’izany raha efa mihoatra ny 40 isa ny eny anivon’ireo hopitalim-panjakana toy ny CSB II. Raha araka ny fitsirihana nataon’ny Fitalevana misahana ny Fanara-maso ny fivoaran’ny Valan’aretina eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika no antony tena mampirongatra io gripa mahery io izay miseho amin’ny endriny maro samihafa, miankina amin’ny toe-batan’ilay marary. Miantso ny amin’ny tokony hametahana arovava orona izy ireo noho izany mba tsy hiparitahan’ity gripa mahery ity hainganabe. Toraka izany koa fanasana tanana matetika amin’ny rano madio sy savony, ny fanajana ny elanelana isam’batan’olona… Vonona mandrakariva handray ireo marary rehetra moa na aratoro- hevitra, na fitsaboana ireo tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny tena fady amin’ity gripa mahery ity moa ny fanaovana dokotera tenany hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Aleo miverina manao arovava orona indray hisorohana ny aretina tsy hiparitaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT