Fahasalamana

Miparitaka be ny valanaretina Miverina ny fampanajana ireo fepetra sakana samihafa


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Nohamafisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly, fa noho ny fisian’ny gripa mahery vaika miparitaka ankehitriny satria tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’izany isika ankehitriny,

dia nankatoavina ny hamerenana ny fanentanana ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ny fanajana ny fihetsika sakana na (gestes barrières), indrindra fa amin’ny toerana be olona, anaty toerana mikatona, na any anary fiara fitateram-bahoaka,… Nambara sy notsiahivina fa mifindra amin’ny alalan’ny rivotra iainana izany valanaretina gripa misy ankehitriny izany. Matetika mitarika kohaka sy havizanana ara-batana ankapobeeny, ary ny zaza sy ny ankizy no tena mora andairany. Entanina araka izany ny rehetra hanamafy ny fiarovan-tena, hoy ny hafatra voarakitra tao anatin’ny fiankevitry ny minisitra omaly 30 novambra 2022. Betsaka ny tranga toa miendrika coronavirus ka anentanana ny rehetra hamonjy toeram-pitsaboana rehefa misy tranga hafahafa. Betsaka ny ankizy miditra hopitaly, betsaka ny tranga,… “Mpianatra roa tao amin’ny efitrano fampianarako no sempotra, maro ireo tsy nianatra fa tsy salama!”, hoy ny namana mpanabe iray miasa eto Antananarivo, raha naneho ny heviny momba ny zava-misy omaly. Tsara ny mampahatsiahy fa niakatra be ihany koa ny tahan’ny trangana coronavirus tao anatin’ny herinandron’ny 19-25 novambra izay nahatratra 205, ary nisy mihitsy ny iray namoy ny ainy, raha toa ka miisa 5 ny tranga misy fahasarotana. Mety ho ambany aza io antontan’isan’ny tranga io, fa raha ny zava-misy eny amin’ny toeram-pitsaboana sy ny trangan’aretina samihafa miseho, dia mety efa tena avo 5 na 6 amin’io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT