Fahasalamana

Ministeran’ny Fahasalamana Miitatra ilay raharaha kolikoly avo lenta


  • Talata 15 Jona 2021

Halaina am-bavany etsy amin’ny Toby Ratsimandrava Sampana misahana ny heloka an’habaka na “cybercriminalité”

 

 

 i Ravo Nambinina Ramasomanana, ilay mpiasa teo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamana nanao ampamoaka mombana kolikoly maro eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana ny 15 aprily lasa teo. Notorian’ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) eo anivon’ny Primatiora ho nanaparitaka lainga mety hiteraka korontana izy. Nanamafy kosa i Ravo Nambinina omaly fa vonona ny hitondra ny porofo eo am-pelantanany. Mitaky ny hanokafan’ny Bianco fanadihadiana momba ny ampamoaka ihany koa ny mpisolovava azy Maître Eric Rafidison, ary tokony hampiaharana ireo mba ahitana ny marina satria sady toriana no mpitory ny olona arovany. Noho izany, nandalo tany amin’ny Bianco ny tenany omaly, ary nampahatsiahy an-taratasy fa tsy mbola voaantso I Ravo Nambinina hanao fanambarana mahakasika ny fitoriany. Rariny raha manao famotorana ny Bianco satria tsy fanambarana fotsiny no nataony, fa misy antontan-taratasy izay heverina fa porofo tamin’ny fanambarana rehetra izay navoakany, hoy ny mpisolovava.

NANITRIKITRIKA FA MANANA POROFO

 Manamagy ny fananany porofo i Ravo Nambinina Ramasomanana. Nasehony omaly niaraka tamin’ny mpisolovava azy ny ampahany, dia ny taratasim-bola na ny “chèque” nampiasaina ho antoka tamin’ny tsenam-panjakana momba ilay “Centre de Transplantation Rénale” etsy Andohatapenaka. Ny 22 novambra ny datin’ny taratasim-bola, kanefa ny fiafaran’ny fametrahana tolotra dia ny 11 novambra. Izay dia efa nanamarina, fa tsy nisy “sous-missionaire”, fa taoriana dia lasa nisy orinasa natsofoka hoe: omeo an’ity orinasa ity, ary tsy mitombina ny hoe aty aoriana vao misy “chèque de caution” tamina tsenan’asa tany aloha, hoy izy ireo. “Io ihany no novaina ho 4 novambra, kanefa ny daty hitantsika eto dia 22 novambra”, izany hoe: nisy hosoka na “falsification” natao,… Tsenan’asam-panjakana maro be fa tsy io ihany no horesahina. Raha ny eo Andohatapenaka dia 930 tapitrisa no vola voafaritra, io efa mitsangana io, saingy raha maka manam-pahaizana, dia azo porofoina raha mifanahantsahana amin’izany, hoy i Ravo Nambinina Ramasomanana omaly.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT