Mbola mipetraka ho laharam-pahamehana ho an’ny Ministeran’ny
Fahasalamam-bahoaka ny fanaovana vaksiny. Noho izany, misy atrikasa hifanankalozan-kevitra eo amin’ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy izay hiresahina mahakasika ny vaksiny. Atao mba hanasongadinana ireo fanamby rehetra amin'ny fanaovana vaksiny eto amin’ny Firenentsika. Ny vaksiny no fanefitra mahomby indrindra sy fisorohana ireo aretina sy valanaretina maro, indrindra ireo mpahazo ny zaza sy ny vehivavy bevohoka, hoy ity Ministera ity. Noho izany, tanjon’ny atrik’asa ny handinihana ireo zava-bita tamin’ny taona lasa mba ahafahana manatsara ny tolotra sy ny kalitaon’ny fanaovana vaksiny ho amin’ny taona manaraka. Mitohy ny ezaka ny amin’ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana eto Madagasikara araky ny velirano faha-5 ny Filohampirenena, hoy ny fanazavana. Ny Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Rasamoelina Fanjambololona Dominique no tonga nanokatraka tamin’ny fomba ofisialy ity fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ity omaly talata 01 desambra. Na resaka vaksiny aza no ambara, toe-javatra sarotra mbola tsy tena afaka eto amintsika ny covid-19, saingy nilaza tsy hividy vaksiny aloha ny Fanjakana rehefa mivoaka izany, raha ny resaka nataon’ny Minisitry ny serasera tao amin’ny Radio France Internationale ny 27 novambra teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.