Fahasalamana

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Nahazo fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 dolara


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Miezaka hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manatsara sy mampiroborobo ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza eto amintsika. Anisan’ny

 

 

 

hanaovan’izy ireo ezaka manokana ny fanaovam-baksiny izay nomarihin’ny talen’ny kabinetran’ny Ministera ny profesora Jean Claude Razafimahandry omaly fa tena zava-dehibe tokoa. Mba ho fanohanana izay herim-po sy finiavana hananan’ny Ministera izay dia nanolotra fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 dolara ho azy ireo ny orinasa Star sy ny Fondation Coca Cola omaly maraina teny Andraharo. Hopitalim-panjakana miisa 3 no hisitraka sy hahazo tombontsoa amin’izany dia ny « Service de Maternité et Néonatal” ao amin’ny Centre Hospitalier any Toliara, ny “Service de Maternite” ao amin’ny Centre Hospitalier de Référence Régional any Maintirano ary ny “Service de Maternité” ao amin’ny Centre de Reference du District any Ikalamavony. Nosafidiana manokana izy ireo noho ny fitombon’ny filan’ireo mponina any an-toerana hoy hatrany ny talen’ny kabinetran’ny Ministera. Raha araka ny fantatra moa dia horaisin’ny orinasa Star an-tanana manontolo ny fitanterana ireo fitaovam-pitsaboana ireo. Tanjon’ny mpanome ny hanamaivana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza eto amintsika.

Pati

Legende : Atoa Marc Pozmentier, tale jeneralin’ny Star , notronin’ny profesora Jean Claude Razafimahandry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT