Fahasalamana

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Mbola tsy manome alalana fanokafana tobim-panafody aloha


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

« Adidin’ny Fitondrampanjakana ny manome fanafody tsara kalitao ny vahoaka Malagasy amin’ny fotoana ilaina izany » .

Nasongandin’ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANATANY Ny Minisitry ny Fahasalamabahoka izany nandritra fanombohana ofisialy ny fanofanana ireo olona misehatra amin’ny fitantanana tobim-panafody izay nontaterahina tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana faritra analanjirofo ny Sabotsy teo. Aim-bahoaka no sahanina raha vao miresaka fanafody ka rariny raha sarotiny ny Fitondram-panjakana amin'ny fanaraha-maso ny sehatr'asa misy azy ireo ary izay no mahazava-dehibe ny fanofanana toy izao . Tanjona hotratrarina mantsy ny hananana vahoaka salama araka ny nambaran' Andriamatoa Minisitra hatrany. Hisorohana ny gaboraraka moa dia mbola mitsahatra hatreto ny famoahana fanomezan-dalana hanokatra tobim-panafody eo anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tsy maintsy mandalo fiofanana avokoa aloha izay olona vaovao mieritreritra ny handraharaha amin'ity sehatra iray ity manomboka izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT