Momba ny fampandehanan-draharaha dia nidina teo amin’ ny 10% ny Ministera
rehetra, araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (PLFI) taona 2021. Tafiditra ao anatin` izany ny ministeran` ny fahasalamam-bahoaka (MIN SAN). Nanakiana mafy izany moa ny firaisamonim-pirenena ROHY nandritra ny famakafakana ny LFI 2021 nataony. Mahavariana tokoa moa ny anton` ny fanapahan-kevitra satria mbola ao anatin` ny ady amin` ny valanaretina COVID-19 isika na dia milaza aza ny fitondram-panjakana fa voafehy izany. Matoa mbola mihatra ny fanajàna ireo fepetra ara-pahasalamana sy ny fanaraha-maso ataon` ireo tomponandraikitra samihafa toy ny mpitandro filaminana, ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT)… dia mbola ao anaty ady tanteraka isika. Ny any ivelany aza moa misy ireo firenena no nisafidy nihiboka mihitsy. Ankoatra izay, ao anatin` ny ady amin` ny kere isika amin` izao. Maro miahiahy fa ho mafy hatrany ny kere amin` ity taona ity sy ny taona ho avy noho ny hain-tany tafahoatra. Marihana fa mametraka fandaminan’asa vaovao ho fitadiavam-bahaolana maharitra manoloana izao kere mahazo ny havana any atsimo izao ny fitondram-panjakana. Anisan` izany ny « CRNM » na « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale », izay hiasa mandava-taona. Ao amin’ity toerana ity no handraisana an-tanàna maharitra ireo olona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ; ao ihany koa ny hanaraha-maso ny fahasalamana sy hitsaboana azy ireo, ankoatr’ireo tolotra ara-pahasalamana izay atolotr’ireo CSB 2 miisa 18 any an-toerana. Hasiana “Banque alimentaire” eo akaikin’io « CRNM » io, izay hitahirizana sakafo, hanampiana ireo izay ianjadian’ny olana ara-tsakafo rehefa main-tany. Marihana fa mila vola daholo no mampiodina ireo sampandraharaha ireo nefa ny fanjakana dia nisafidy hampihena ny tetibolan` ny MIN SAN. Tsy mandeha araka ny tokony izy ary tery vay manta sy tefy maika io lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana io. Ny fanaovana foto-drafitr’asa no laharaham-pahamehana kanefa tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny vahoaka raha ny zava misy amin’izao no jerena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.