Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamana “Zava-doza ny fanjifana fanafody eny an’elakelan-trano”


  • Zoma 06 Septambra 2019

Tokony hiezaka ny mponina tsy hividy fanafody an’elakelan-trano intsony hoy ny minisitra ny fahasalamam-bahoaka, Pr Julio Rakotonirina fa hanjifa izany eny amin’ireo toerana efa voaoakana nandritra ny fanokanana ny trano vaovaon’ny OPHAM tetsy Andohatapenaka omaly.

 

 

Raha ho an’io OPHAM io manokana dia fanafody 20 tapitrisa boaty no notsinjaraina nanerana ny nosy tamin’ny taona 2018 teo. Nandritra izany fitokanana izany dia nilaza ihany koa ny minisitra fa dingana tsy maintsy tratrarina ny hahatonga ireo fanafody ara-potoana sy azao antoka eny anivon’ny vahoaka sy ireo toeram-pitsaboana. Nanamafy ihany koa ny tenany fa mifameno ny asa fitsinjarana fanafody na ny eo amin’ny fanjakana sy  tsy miankina na ny eo amin’ireo samy tsy miankina. Ny Fanafody hoy izy no mamonjy aina nefa io ihany koa mety no mety hamono raha tsy manaraka ireo fenitra rehetra amin’ny fitahirizana sy fitsinjarana azy. Izany rahateo no antony nananganana ity toeram-pitsinjarana fanafody lehibe ity satria mahatratra hatrany amin’ny 6.000m². Voaloahany eto amin’ny ranomasimbe Indiana manaraka ny fenitra ISO 9001 2015 ary ampy tsara ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT