Fahasalamana

Minisitry ny Fahasalamana Zava-dehibe aminy ny fitantanana mangarahara


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Nitafa sy nifampidinika tamin’ireo filohan’ny Sendika sy solontenan’ny mpiasa ao anatin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr Ahmad Ahmad sy ny Sekretera Jeneraly Pr Solofomalala Gaëtan Duval ary ny Talen’ny kabinetra ny 03 jolay 2020.

Nitatitra ny hetahetan’ireo mpiara-miasa amin’izy ireo tsirairay avy, sy ny tolotanana afaka ataon’izy ireo amin’ny fiatrehana ity valanaretina COVID-09 ity ireo Filohan’ny sendika. Teo ihany koa ny tatitra izay nataon’ny Minisitra sy ny Tale Jeneraly ny momba ireo fanampiana efa voaray sy ireo paik’ady entin’ny Ministera amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao. Namafisin’ny Pr Ahmad Ahmad fa zava-dehibe aminy ny fitantanana mangarahara ka hiezaka ny tenany mba hahafahan’ireo rehetra miasa eny amin’ny Tobim-pahasalamana, misitraka ireo zo fototra sy hahatsapan’izy fiarovana feno, ka anisany paik’ady hahatanteraka izany ny fanaraha-maso ifotony. Nanentana ny rehetra ihany koa ny tenany ny mba hifanampy, hiara-hiasa, hifanome tanana amin’ity ady atao ity. Naneho ny fahavononany hifampiresaka sy hitady vahaolana miaraka amin’ireo sendika ihany koa ny Minisitra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT