Fahasalamana

Minisitry ny Fahasalamana « Tokony hamafisina ny fepetra manerana an’i Madagasikara »


  • Talata 12 Janoary 2021

Efa niomana 2 volana nialoha ny nahatongavan’ny fety ny ministeran’ny fahasalamana,

 

 

 

tao anatin’ny covid-19 fa covid-19 voafehy. Nandritra ny fety, dia sahy milaza fa mbola voafehy, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Rakotovao Jean Louis omaly teny Ambohidahy. Ankehitriny somary miakatra ny antontan’isa noho ny fifampikasohana, saingy sahinay ny milaza fa mbola voafehy, hoy izy. Tokony hamafisina hatrany ny fepetra manerana an’i Madagasikara. Nanentana ny mpiasan’ny fahasalamana handray fepetra, ny CRCO izay tokony handray akaiky ny fampanajana ny fepetra sakana. Misy faritra 2 azo lazaina hoe mbola miakatra sy mila fepetra manokana, hoy hatrany ny minisitry ny fahasalamana ; ny iray dia misy ny fiezahana, misy tranga ahitana fahasarotana izay voan’ny diabeta sy misy tosidrà ny ankamaroan’ny voa. Tsara ny mahafantatra mialoha ny toe-batana, ary mila manantona ny ivon-toerana ara-pahasalamana sao diabetika na misy tosidrà, raha ny nambaran’ny Pr Rakotovao Jean Louis. Misy fiovana paikady kely ho an’ny Ministeran’ny fahasalamana. Ny fomba fiasa dia manao ny “tracing contact” na fikarohana ireo mety nifampikasoka sy manao fitiliana izay tohizana hatrany, fa manomboka izao dia atao ny fitiliana ny tahan’ny siramamy na fiakaran’ny tosi-dra. Mila harovana ny mpiara-belona, ka raha tsy manao arovava dia mety hamindra amin’ireny olona marefo ireny. Isan’ny nampiakatra azy ankoatra ny fety, dia lasa mijery izay olona mety nifampikasoka, mahita olona mifampikasoka kanefa mety tsy nahazo. Mieritreritra amin’ny faramparan’ny herinandro ny ahita bebe kokoa ny fivoarany taorian’ny fety, ka tsara raha manaraka hatrany ny fepetra sakana, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT