Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamana Nijery ifotony ny fanofanana ireo biôlojista


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Nidina ifotony nijery sy nanadihady ny fomba fiasa eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ny Minisitry ny fahasalamana, Pr Ahmad Ahmad, omaly maraina.

 

 

 

Nanaraka ny fizotry ny fanofanana ireo Malagasy mpahay momba ny Biôlojia, ao amin’ny “laboratoire de virologie”. Nisantatra izany moa ireo Biôlojista avy any Mahajanga sy Fianarantsoa, hanaraka aorian’izy ireo ny Biôlojista avy eto Antananarivo indray no hahazo fanofanana. Nomarihan’ny minisitra fa ireo Biôlojista voahofana ireo dia hiasa avy hatrany any amin’ny Faritany satria efa nahazo fiofanana teorika sy pratika. Hanaraka izao fampiofanana izao ny fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana. Nisy rahateo ny fanambaran’ny Filoham-pirenena fa hovelomina ny laboaratoara maro eto amin’ny nosy indrindra manoloana izao fisian’ny valanaretina coronavirus izao. Nisy mihitsy aza ny antontan’isa noresahina fa hahatratra 1000 isan’andro ny fitiliana ho vita rehefa mitsangana ireo, ary ho vita ny fiofanan’ireo biôlojista, izay neken’ny IPM ny hanofana azy. Hatreto, dia tsiahivina hatrany fa 150 hatramin’ny 200 raha be indrindra ny fitiliana vita eny amin’ny IPM isan’andro. Ireo TDR (Test de diagnostique Rapide) rahateo aza, dia mbola mila hamarinina eny amin’ity ivon-toerana ity ihany vao manan-kery.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT