Ny hita sy tsapa dia ohatry ny mivahavaha kely ny fanajana ny fitsipika sy
fepetra ara-pahasalamana hiadiana amin’ny covid-19, hoy ny Minisitry ny fahasalamana, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis omaly. Tahaka ny firenen-drehetra dia voa sy tsy afa-miala i Madagasikara, saingy nametraka ny paikady izay nahomby satria voafehy ny coronavirus, raha ny nambarany. Mbola tsy resy kosa anefa io, ka eo no hiantsoana ny rehetra, raha tiantsika ny hiaina anaty fahasalamana, indrindra hiatrika ny faran’ny taona satria mahafinaritra ny mitsena ny taom-baovao ao anatin’ny fahasalamana, hoy ity Minisitra ity. Nambarany fa mandefa ekipa etsy sy eroa amin’ireo toerana efa tsy nahitana coronavirus kanefa lasa nisy 3 na 4 indray ny Minisitera. Tsara anefa ny manamarika fa tsy nisy ny tatitra momba ny fivoaran’ny covid-19 ny faran’ny herinandro teo, ka tsy hay intsony na mbola misy marina na ahoana. Toa tsy taitra sy tsy rototra amin’izany intsony ny mpitondra Fanjakana, ary manam-pahefaha eto amin’ny firenena izao aza no mpanao tari-bato vilam-bava. Isan’izany ny nampidirana ilay mpanakanto Afrikanina Tatsimo Nacembo Zikode nanao hetsika nahavory vahoaka tamina toerana maro. Mpitondra Fanjakana sy manam-pahefana izao no mitsena azy, ary natao toy ny olo-manan-kaja goavana. “Mila miverina amin’ny fanajana ireo fepetra sakana mazava ho azy: eo ny fitondrana arovava orona, ny fanajana ny elanelana 1m, fanasana ny tanàna ho madio amin’ny savony na fampiasana gél disinfectant,… Nanentana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fampiharana ny fanapahan-kevitra noraisina. Efa manao izay azony atao ny Minisitera”, hoy ny Minisitra Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nanao antso avo ho an’ireo misy soritra aretina, toy ny gripa fa tsy manao dokotera tena izy. Aleo manatona hopitaly fa vonona ny tobim-pahasalamana sy ny mpitsabo rehetra, misy ary vonona ny fanafody, hoy ity Minisitra ity, izay nanao doka ny CVO sy CVO+ ihany koa. Tena mampatahotra antsika ny onja faharoa na ny “2ème vague”, raha ny nambaran’io tompon’andraikitra ambony io. Tena tsy afaka mamokatra sy miasa tsara ny olombelona marary raha sanatria mitombo ny voa ankoatra ny mety hamoizana ny aina, ka mila mitandrina ny tsirairay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.