Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamana “Ho bebe kokoa ny vola hiasa any amin’ny distrika”


  • Talata 02 Febroary 2021

Anjaran'ny avy ao amin'ny "UASM" no nitatitra ireo zava-bita nandritra ny

 

 

 

 

herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin'ity herinandro vaovao ity, hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana nandritra ny fananganan-tsaina omaly. Nanazava sy nametraka ny fomba fiasa vaovao ara-teknika sy ara-pitantanam-bola ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean-Louis. "Manomboka eto dia ho bebe kokoa ny vola miasa any amin'ireo distrika noho ny vola miasa eto amin'ny Ministera foibe, hoy ny Minisitra, satria any no ahitàna ireo CSB maro". Manoloana ny ady amin'ny valanaretina Coronavirus, dia manentana hatrany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hanohy ny fanajana ireo fepetra sakana sy ny fotondràna aro vava orona mba tsy hampihanaka ny fipariahan'ny valanaretina any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara izay mbola tsy ahitàna izany. Hatreto kosa, toa mbola mbola manentsin-tadiny eo anatrehan’ny fitakian’ny mpitsabo mpanampy ny Minisitera mpiahy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT