Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamana “Bouteille d’oxygène 450 isan’andro no vokarintsika”


  • Alarobia 07 Aprily 2021

Nanamafy ny Minisitry ny fahasalamana Dr Rakotovao Hanitrala Jean Louis omaly,

 

 

fa ao anatinny hamehana ara-pahasalamana isika noho ny tranga misy izay miakatra, ary misy ihany koa ny fanambarana amin’ny fisian’ilay “variant”, karazana coronavirus amin’ny endriny hafa, ankoatra ilay efa nisy teo aloha. Anankiroa izany ny coronavirus misy eto amintsika, ka tena mahazo vahana ilay vaovao izay mahatonga ny fahasarotana be, haingam-pifindra sy mamono vetivety. Tena hitantsika ny zava-misy, ary ny mampahelo dia misy foana ireo tsy mataho-tody mivarotra ny “oxygène”, manararaotra, hoy io Minisitra io. Nambarany fa tsy mijery fotsiny ny fitondrana fa mitady vahaolana. Ny firenena manaren-tany dia samy nandalo tahaka izao, nisy fipoahana, izay mety nisy ihany ny fahasahiranana naterak’izay. Milaza ho nanao fampiakarana ny famokarana ny “oxygène” ny Fanjakana. “Androany ihany, raha 350 no azontsika vokarina, dia efa tafiakatra 450, mbola hitombo isan’andro mandeha tsikelikely. Niantso sy nanentana an’ireo manana « bouteille d’oxygéne » any an-trano tsy afaka mameno izany, na tsy mampiasa intsony mba hamerina izany eny amin’ny mpamokatra ihany koa ny Fanjakana. Nambaran’ny Filoham-pirenena ny 03 aprily teo moa fa ampiana ho 800 ny «bouteille d’oxygène », raha 600 no ampy ho an’ny marary eto Madagasikara. Efa miala avy any Toamasina ny “gaz” mbola tsiranoka hoentin’ny Air Liquide, izay isaorana an’Ambatovy nanome azy”, hoy ity Minisitra ity. Nambarany moa, fa raha any amin’ny firenena amin’ny firenen-kafa dia herinandro tsy mahita vahaolana, fa isika eto Madagasikara tao anatin’ny telo andro monja, izay toa maneho fandokafan-tena ihany. Ny tena zava-misy sy miseho anefa mampivarahontsana, betsaka ny tranga, sesilany ny maty, tsy maharaka ny fitaovana,… ary isan’ny lesoka goavana ny lamina sy fitantanana napetraky ny Fanjakana, izay nanjakan’ny tsy fangaraharana, toy ny lafiny tetibola hiatrehana ny coronavirus. Ankoatra izay, eo anatrehan’ny fipoahana mety hahalany ny fanafody, ny fisian’ny mpanararaotra izay tia kely, dia nanapa-kevitra hamerina ny mba hisian’ny fanafody rehetra any amin’ny CSB ny Fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT