Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Tsy lainga fa tena misy ny kitrotro


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Mbola maro no tsy mino ny fisian’ny trangan’aretina kitrotro eto Madagasikara na dia efa maro aza ny olona matiny. Tsy sangisangy na lainga fa tena misy ny kitrotro ary mety hahafaty izany raha tsy vita amin’ny tokony ho izy ny vaksiny hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Julio Rakotonirina tetsy Ambohidahy 15 martsa.

 

 

 Manolona izany indrindra dia ho tohizana ny hetsika fanaovam-baksiny ny 25 martsa ka hatramin’ny 05 aprily 2019 ho avy izao. Ny lohahevitra voizina mandritra ny hetsika dia ny hoe: “ndao hiaraka, hiaro ny zanantsika amin’ny kitrotro, ataovy vaksiny ny zaza”. Faritra miisa 19 no hanaovana ny hetsika ary any Anjozorobe sy Ankazobe no voakasika ny amin’ny faritra Analamanga. Tanjona ny hanamafisana ny hery fiarovna efa ananan’ny zaza 6 volana ka hatramin’ny latsaky ny 10 taona na vita vaksiny na tsia, izay miisa 3 925 194 ao anatin’ny distrika 67 manerana ny Nosy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT