Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Tsy ampitenenana sa tsy mety hiteny ?


  • Alarobia 06 Mey 2020

Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Tsy ampitenenana sa tsy mety hiteny ?

 

 

 

xmpanao gazety na koa mandray anjara amin` ireo adihevitra amin` ireo haino aman-jery. Eto amintsika toa tsy hita sehatra loatra ny Praiminisitra indrindra moa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Ahmad Ahmad. Ity farany anefa dia tsy fantatra hoe lasa aiza amin` izao. Tsy lavina fa miasa andro aman'alina izy. Heverina ihany koa fa lamina mety napetraky ny Filoham-pirenena ka inona koa no mety ho tenenin' ny ministra rehefa avy niteny ny filohan`ny Repoblika? Midika ve izany fa tsy ampitenenina ity tompon'andraikitra voalohany amin`ny fahasalamana ity? Marihana fa ny minisitra Ahmad Ahmad dia mpitsabo ka raha ny zava-misy amin` izao, izay tena mifamahofaho eo amin` ny resaka fanafody Covid Organics, dia zarany aza no ho tsy ampiteneniny. Mety tsy te hidi-kizo amin` io mihitsy ve izy? Saingy aiza ho aiza ny “serment d'Hippocrate” amin` ny hoe “tsy maintsy mitsabo ny marary isika amin'izay eo am-pela-tànana”? Na dia misy aza ireo no lazaina fandresena dia amin` ny maha tomponandraikitra voalohany azy no tokony hizarany ireo izay ho mety “effets secondaires” amin` izay fanafody ampiasaina entina iadiana amin`ny COVID-19. Anjarany no mampitony ny vahoaka Malagasy. Amin` ny vanim-potoan' ny fahamehana ara-pahasalamana toy izao sehetra telo no tsy azo hamaivanina: politika, fahasalamana ary sosialy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT