Fahasalamana

Minisiteran’ny fahasalamana Raikitra indray ny grevy


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Milaza hanakatona ireo fivarotam-panafody, hanakatona ny tranom-paty,… ireo mpiasa sy mpandraharahan’ny fahasalamana taorian’ny tsy fisian’ny vahaolana tamin’ny fangatahana.

Mitohy ny hetsi-pitakiana, ka tonga teny amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana Ambohidahy izy ireo omaly. Marihina fa nitokona nanomboka ny 23 martsa ireo mpiasa sy mpandraharahan’ny Minisiteran’ny fahasalamana mitaky fanondrotana ny marin-karama, tombotsoa, fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpiasa tsy raikitra.Tapaky ny rehetra, fa miato avokoa manomboka anio alakamisy ny asa. Voalaza etsy andaniny, fa nilaza handinika ny raharaha ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (FOP) amin’ny 5 aprily izao. Karama efa tamin’ny 1960 ka mitaky ny “régime particulier”, fampidirana ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ECD izay misy efa 15 taona niasana, hoy ny mpiasan’ny fahasalamana any Toliara. 60% ny “personnels Adminisitratifs”, any amin’ny 7000 mahery ny mpiasa. Hihamafy ny fitakiana, tsy hisy asa tanteraka, tsy hisy birao hivoha,… Miandry ny talata izao hamalian’ny FOP ny fitakian’ny mpiasan’ny fahasalamana, ka raha tsy mahafa-po dia tena hangotraka ny fitakiana, hoy hatrany ireo mpiasa. Taorian’ny grevy fitakian-karama nataon’ny mpiasan’ny CTC-19 dia io fa mitohy ny olana hafa. Ahitana olana sy grevy hatrany ity ny tontolon’ny fahasalamana, ka misongadina ny ara-bola, kanefa dia vola tsy toko tsy forohana no miodina ao aminy, ary resabe aza ny raharaham-pitantanana ny volan’ny coronavirus.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT