Fahasalamana

Minisiteran’ny fahasalamana Nanameloka ny famonoana Paramed


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Namoaka fanambarana manameloka ny herisetra nitarika ny fahafatesan-dRakajilahy Joseph, ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampanihy sady lehiben’ny Tobim-pahasalamana fototra (CSB I) ao Beteva Distrikan’i Miandrivazo niseho ny 12 aogositra teo ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

 

Nampitaina tao anatin’io fanambarana izay nivoaka ny 18 aogositra teo io fa miondrika am-panajana eo anatrehan’ny nofo mangatsiaka, ary miombona alehelo feno amin’ny Fianakaviana mana-manjo ny Minisitera. Manameloka ny herisetra amin’ny endriny rehetra mihatra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana izay manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiahiana ny fahasalamam-bahoaka. Manamafy fa noho ny hamehana ara-pahasalamana, dia mitohy manatanteraka ny andraiky ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy, ary farany dia miantso ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana mba hanamafy ny fandriampahalemana amin’ny topim-pahasalamana rehetra. Tsara ny manamarika fa nanomboka omaly ny telo andro fisaonana ho an’ny Mpitsabo mpanampy na ny Paramed eo anatrehan’ny endrika herisetra samihafa mahazo azy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT