Fahasalamana

Minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka Hamerina ny fitokisan’ny vahoaka aminy


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Fanatsaràna sy fananganana foto-drafitrasa, fampitaovana, fampiofanana sy fanamafisana ny traikefan' ny mpiasan`ny fahasalamana, ady amin'ny kolikoly, ary fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha olona (Humanisation des soins).

 

 

Ireo no programanasa dimy hitondran` ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ity minisitera ity raha ny nambarany nandritra ny diany tany amin` ny faritra DIANA ny herinandro lasa teo. Nandritra ny diany tany amin' ity faritra avaratry ny Nosy ity dia nihaona tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny CHU Place Kabary, CSBU Tanambao Diego, BSD Diego I, BSD Diego II, Chefferie DRSP izy. Nohamafisiny nandritra ny fihaonana fa mila mijery lavitra ny mpiasan'ny fahasalamana, mailaka amin'ny fomba fiasa ary manara-maso sy manao tomban'ezaka hatrany ireo asa sahaniny. Tanjona iraisana ny hamerenana indray ny hasina sy ny fitokisan'ny vahoaka amin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra vahaolana ihany koa izy nanoloana ny fiakaran'ny tahan'ny isan'ireo olona vaovao voamarina fa nitondra ny tsimokaretina Covid 19 tany an-toerana izay tsapa fa nihamaro tato ho ato.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT