MIHANAKA NY SIDA ANY DIANA

Ny 10%-n’ireo vehivavy bevohoka natao fitiliana no voany


  • Talata 03 Desambra 2024

Mihanaka ny areti-mandoza SIDA any amin’ny Faritra DIANA. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana

mantsy dia ny 10%-n’ireo vehivavy bevohoka natao fitiliana any amin’ity faritra ity no mitondra Ny tsimok’aretina VIH/SIDA. Efa saika manaraka fitsaboana ny ankamaroan’izy ireo noho izany hiarovana ny fahasalamany sy ny ain’ireo menaky ny ainy mbola any am-bohoka. Misy ny hetsika goavana tanterahin’ny faritra DIANA manoloana io tranga mampalahelo io. Nambaran’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny Profesora Andriamantany Zely fa tsy misoritra eny amin’ny tarehy ny areti-mandoza SIDA ao anatin’ny olona iray. Amin’ny alalan’ny fitiliana ihany hoy hatrany izy no hahafantarana ny aretina. Miantso ny tanora efa manao fitiavana sy ireo olona tsy mipetraka amin’ny vady na olon-tiana tokana araka izany ny Ministra mba ho avy hanao fitiliana. Tsiambarantelo ny valin’izany hoy izy ka tsy misy atahorana. Tsiahivina moa fa ankoatra ity faritra iray ity dia efa faritra mena amin’ny areti-mandoza SIDA koa ny ao Mahajanga, Moramanga, Antsirabe… amin’izao.
Pati
Legende : Ny vehivavy bevohoka no betsaka voan’ny SIDA any amin’ny Faritra DIANA !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT