Fahasalamana

Mihanaka hatrany ny Pesta Efa tonga any Mahabo sy Betioky atsimo


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2017

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona matin’ny pesta sy ireo mitondra ny valan’aretina eto Madagasikara. Raha ny tatitra farany navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamana ny sabotsy 7 oktobra lasa teo,

dia 42 no maty, ary 343 ny trangana pesta hita hatramin’ny fiandohan’ny volana aogositra. Arakaraka ny ny fampandriana adrisa ataon’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fahasalamana fa voafehy ny pesta no toa vao mainka mampitombo ireo maty sy marary. Toa mbola misy ihany ny zavatra afenafenina momba ity aretin-doza ity sy ny toerana misy azy. Mitombo hatrany anefa ireo distrika ahitana izany, raha tsy hilaza afa-tsy Betioky atsimo sy Mahabo. Ny any Mahajanga dia namoahana fanambarana fa tsy mianatra koa amin’ity herinandro ity, raha toa ka mbola nanohy ny fianarany tamin’ny herinandro ambony. Tany Fandriana ihany koa dia 3 no efa maty, ka ny iray tamin’ny 29 septambra, ary 2 tamin’ny 3 oktobra, raha ny tatitra. Ny faran’ny herinandro teo dia olona 6 no maty tao anatin’ny ora vitsy satria ny zoma 6 oktobra dia 36 no isany, ary ny ampitson’iny, dia tafakatra 42. Mbola maro ireo tranga ahiana ho tsy fantatra noho ny tsy fahampian’ny serasera sy ny mety ho fanafenana ny marina. Tsy milamina ny tany noho ity valan’aretina ity, saingy tsy mbola nahenoan-teny ny filoham-pirenena Malagasy. Ny mpitondra fanjakana ambony hafa moa io efa iaraha-mahita io ny ataony, izay tsy manao afa tsy ny mampitony sy toa manamoramora zavatra fotsiny. Efa ny governemanta manontolo mihitsy no tokony hihetsika saingy ny filoha aza tsy taitra, ary ny praiminisitra mampandry adrisa no tena ataony. Ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka aza mbola sahy nilaza fa tsy misy fiantraikany amin’ny fizahantany ny pesta. Nahoana no nampiato ny sidina ifandraisana amin’i Madagasikara ny Air Seychelles ? Ny Frantsay eto amintsika efa mahazo toromarika hitandrina mafy, ary mikatona ny IFM, ny AFT,… Ny fahitalavitra iraisam-pirenena toy ny France 24, dia saika isan’andro no miresaka ity toe-javatra ity, ka mpizahatany iza no tsy ho koditra amin’izany? Efa manomboka mikatso ny zava-drehetra amin’izao toy ny fiatoan’ny fampianarana, ny fanatanjahantena, ary mety hiitatra amin’ny sehatra maro samihafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT