Fahasalamana

Mihamahazo vahana indray ny gripa Ny hatsiaka sy ny loto no antony


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Mihamahazo vahana indray ny sery sy ny gripa eto an-drenivohitra. Olona maro no lasibatra tonga manatona ireny tobim-pitsaboana maro samihafa ireny, raha ny fanadihadiana natao.

 
Marary telo isan’andro raha kely no hitan’ny mpitsabo iray fa voan’ny sery izay mivadika ho tazo avy hatrany ka sady marary ny vanintaolana no marary ihany koa ny kibo. Misy ihany koa ireo marary tenda mihitsy miampy loja ka tsy sitrana raha tsy mitsindrona. Raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia vokatr’ilay toetr’andro mangatsiaka no mahatonga io gripa io mahazo vahana eto amintsika indray. Manampy trotraka ihany koa ny rivotra iainana miampy ny loto sy ny setroka fiara eto Antananarivo Renivohitra izay tena mampikolay ny maro tokoa. Tokony hanao mafana hatrany, araka izany, ny tsirairay. Mila mazoto hihinana voankazo sy legioma ihany koa sady misotro rano betsaka hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana. Tsy azo atao ny manao vizaka loatra, hoy hatrany ny dokotera Fidy Bariniaina satria mety hiteraka gripa. Ao koa ireo lasibatry ny rarintsaina ka mety tsy ho ampy torimaso. Nomarihiny fa raha voan’ny sery matetika ny olona iray dia mety hivadika ho aretin-tratra na sinizita. Tokony hitandrina tsara ny rehetra satria ny aina tsy ananam-piry.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT