Mihamafy ny grevin’ny PARAMED

Mitohy ny “Service minimum” mandra-pivalin’ny fangatahany


  • Zoma 21 Martsa 2025

Ny Paramed no miantoka ny 80%-n’ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny

hopitalim-panjakana amin’ny ankapobeny. Lohalaharana amin’izany ny mpampivelona raha eo ihany koa ny infirmiera izay tsy azo tsinontsinoavina mihitsy. Tsy navelan’ny tompon’andraikitra hiditra hanao hetsika fitakiana nanoloana ny hopitaly HJRA Ampefiloha anefa izy ireo omaly Alakamisy 20 Martsa tao anatin’ilay fihetsika fisaonana mikasika ireo rasazy miisa 2 novonoina tamin’ny fomba hafahafa. Nohamafisina indray aza ny fiambenana teo amin’ny vavahadin’ny hopitaly hany ka ny filohan’ny sendika irery ihany no afaka nifampiresaka tamin'ny tompon'andraikitry ny hopitaly HJRA. Teo ivelany manoloan'ny vavahady araka izany ireo sendika no nilanja sora-baventy izay mitaky ny tokony hijeren’ny Ministera ny momba azy ireo sy ny hamaliany ny hetahetany. Lohalaharana amin’izany ny fiarovana ny ain’ireo Paramed manerana ny Nosy. Eo koa ny fampitsaharana ny fandefasana azy ireny any amin’ny faritra ka hanasarahana azy amin’ny fianakaviany. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fampiakarana CODIS tsy amin’ny antony…Nanambara moa ny sendika SISFM fa hihamafy ny tolona raha tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo. Mitohy araka izany ny service minimum hataon’izy ireo ka ireo mpiteraka sy marary mafy ihany sisa no horaisiny aloha. Tsy misy ny fanaovam-baksiny araka izany, ny fampifasoana ny vehivavy mitondra vohoka, ny fanaovana fandrindram-piainam-pianakaviana….
Pati
Legende : Leo ny tsy famalian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hetahetany ny Paramed !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT