Fahasalamana

Mihamafana ny andro Ny aretina tazomoka indray zao no tena atahorana


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Efa manomboka miaina ao anaty hafanana tanteraka isika eto an-drenivohitra nanomboka afak’omaly Alatsinainy. Somary mihamangingina ny gripa mahery sy ny kohoka noho izany.

Ilay aretin’ny taovam-pisefoana vokatry ny fivadihan’ny vanim-potoana mangatsiaka mankany amin’ny mafana sy ny aretina tazo indray izao no tena mahazo ny ankamaroan’ny mponina, raha araka ny fanadihadiana natao. Mikasika ity farany manokana dia nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa fotoana fivoahan’ny moka izao andro mafana izao. Raha vantany vao mahita jiro mirehitra ao anaty trano ny moka hoy izy rehefa hariva dia mirohotra miditra avy hatrany ary manaikitra. Tokony hampiasa lay misy ody moka araka izany ny isan-tokantrano. Tokony tsy handrehitra jiro ihany koa hoy ity dokotera raha mbola tsy mihidy ny trano. Fepetra hentitra tokony handraisan’ny rehetra anjara feno kosa hoy izy ny fanotorana ireo rano miandrona hialokalofan’ny moka sy ny fanapahana ireo lobolobo. Nambaran’ity dokotera ity hatrany moa fa tokony hanatona dokotera avy hatrany ny olona iray raha vantany vao hafahafa ny toe-pahasalamany. Anisan’ireny ny aretin’andoha mitarazoka, ny hoditra misy hafanana, maloiloy sy malain-komana, fanina….
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT