Fahasalamana

Miary Toliara II Mirongatra ny gripa sy ny tazo mahery, efa nisy ny maty


  • Talata 06 Jona 2023

Mirongatra sy mahazo vahana fatratra any amin’ny Fokontany Ankoronga, kaominina ambanivohitra Miary, distrikan’i Toliara II amin’izao ny gripa sy ny tazo mahery.

Raha araka ny vaovao dia efa marary avokoa ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Miantomboka amin’ny ranon-delo matsatso mandeha izany, mitohy amin’ny aretin’andoha lavareny, mihamema ny maso hany ka mandamaka avy hatrany ilay marary. Miakatra be ihany koa ny hafanany raha vantany vao tsy voajery haingana ary misy ireo mitady hanao fanintona mihitsy toy ireo ankizy madinika hoy hatrany ny loharanom-baovao. Efa nisy matin’ireo aretina ireo moa tany an-toerana na dia efa nomena fanafody sy nentina nanatona tobim-pitsaboana aza. Manahy ny mety hiparitahan’ity aretina ity ato anatin’ny fotoana fohy ny mponina. Mifindra rahateo ilay izy noho ireto farany tsy mampiasa arovava orona indrindra fa ho an’ireo tratry ny gripa. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky io tranga io araka izany ny mponina. Misy moa ny milaza fa mety efa COVID no tonga any amin’ity tanana ity izay mbola tsy fantatra marina izay tena fahamarinany.
Pati
Legende : Mandamaka tahaka izao ireo ankizy madinika tratran’ilay aretina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT