Nihena 4% ny tahan’ireo zaza madinika lasibatry ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Miandrivazo,
Faritra Menabe. Tato anatin’ny telo volana voalohany tamin’ity taona 2024 ity no nahitana taratra izany raha nahatratra 20% ireo nitondra faisana tamin’ny taona 2023. Vokatry ny fisian’ilay tetikasa Access, vatsian’ny USAID vola no angady nananana sy vy nahitana izany izay niasa tany an-toerana nandritra ny 12 volana. Ankoatra ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana dia nisy ihany koa ny fanentanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny narahin’ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana. Nihatsara ny fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fahatongavan-tsain’ny Ray aman-dReny vokatr’izany hany ka nampihena betsaka ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny zaza any an-toerana. Efa tsy misy mivarotra firy intsony ireo lay misy ody moka nozaraina tao Miandrivazo fa efa hampiasain’ny isan-tokantrano, indrindra fa ireo Reny bevohoka sy ireo manan-janaka madinika.
Pati
Legende : Ny ankizy no tena ataon’ny tazomoka mahita faisana any amin’ny Faritra Menabe !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.