Fahasalamana

Miandrandra Arivonimamo Olona 7 no efa matin’ny pesta


  • Zoma 03 Septambra 2021

Tena misy ary manomboka mamonoa olona indray ny pesta amin’izao fotoana izao; Olona 7 no voalaza ho voamarina fa namoy ny ainy vokatry ny pesta aretin-tratra na “peste pulmonaire”

 tany amin’ny Kaominina Miandrandra Distrikan’Arivonimamo. Ny 4 tamin’ireo no voalaza fa maty tany an-tokantranony, ary kosa tany amin’ny toeram-pitsaboana. Miisa 23 ireo mbola manaraka fitsaboana. Efa noraisin’ny manam-pahefana ny fepetra ahafahana mifehy ny mety ho fipariahan’io valanaretina io. 960 ireo olona voatery natokana monina noho izy ireo nifanerasera tamin’ireo olona voa sy namoy ny ainy, raha ny notaterin’ny pejim-baovao iray omaly. Noraisina ihany koa ny fepetra hafa, toy ny famendrahana ranom-panafody sy ny fanadiovana. Napetraka ihany koa ny sakana ara-pahasalamana amin’ny fidirana ao amin’ny Kaominina Miandrandra, hoy hatrany ny tatitra. Tokony ho mailo ny rehetra amin’izao vanim-potoana izao satria tena betsaka ny aretina sy valanaretina miparitaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT