Fahasalamana

Miala any indray ny pesta Olona 2 no maty tany Ambalavao


  • Talata 18 Septambra 2018

Miverina indray ny pesta amin’izao fotoana. Oona roa no efa matiny tany Anjoma, distrikan'Ambalavao, raha ny vaovao vonjimaika azo.

 

 

 

Ny iray tamin’izy ireo, pesta atodintarina na "bubonique" no nahafaty azy ary ny iray kosa pesta aretin-tratra na "pulmonaire", raha ny fampitam-baovao. Re fa efa misy tompon'andraikitra avy amin'ny minisiteran'ny fahasalamana tonga nizaha ifotony ny zava-misy any an-toerana. Tamin’ny herinandro ambony ihany koa no efa nandrenesana fisiana trangana pesta atodintarina tany Ankazobe. Nezahina nafenimpenina ny momba an’io satria ahiana hisy akony ratsy amin’ny raharaham-pirenena raha sanatriavin’ny vava ka mihanaka eo tokoa ny resaka pesta, izay tsiahivina fa nandripaka olona efa maherin’ny 200 tao anatin’ny volana vitsivitsy, tamin’ny taon-dasa ohatr’izao. Raha hiverenana ny zava-nisy tamin’ny herintaona, efa nisy ilay mpanazatra ny mpanao basikety Seiseloa maty vao nikoropaka ny fanjakana. Nisy akony betsaka tamin’ny raharaham-pirenena izany, toy ny fikatsoan’ny fampianarana, ny fifampiahiahiana teny anivon’ny fiarahomonina hatrany anaty fitateram-bahoaka, ny ady razana teo amin’ny fianakavian’ny maty sy ny iraka haka ny razana izay tsy azo nalevina am-pasan-drazana. Hampihemotra ny fifidianana io, raha tsy maintsy ho tonga amin’ny toe-draharaha tsy azo hanoharana tsy maintsy handraisana fepetra tsy azo hivalozana, izay voafaritry ny lalàmpanorenana. Andrasana ny fanampim-baovao avy amin’ny minisitera tompon’andraikitra eo anatrehan’ity toe-javatra mety hanova ny raharaham-pirenena, toy ny zotram-pifidianana ity.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT