Mercy Ships eto Madagasikara

Hiditra amin’ny fandidiana ireo marary


  • Zoma 12 Aprily 2024

Tontosa ny 5 aprily teo, raha tokony ho efa vita ny 29 martsa, ny fandraketana an-tsoratra

ireo marary na manana tsy fahatomombanana ara-batana tokony hiatrika fandidiana maimaipoana ao amin’ny Mercy Ships na ilay sambo hopitaly mandalo eto Madagasikara mitoby ao Toamasina amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny fandalovan’ny rivodoza Gamane teto amin’ny firenena, hoy ny fanazavana, no antony naha taraiky izany fandraketana an-tsoratra izany tamin’ireo toerana sasany. Faritra miisa 12 manerana ny nosy no naharaisana fisoratana anarana. Voarakitra an-tsoratra soa aman-tsara avokoa ireo manana aretina na tsy fahatomombanana ara-batana, raha ny fanazavana hatrany, ka dia hiditra amin’ny fandidiana ireo marary, araka izany, ireo manam-pahaizana momba izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT