Fahasalamana

Me Jhonny eny Mahitsy Mitsabo aretin'ny voa ny fanafody natoraly


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Tsy dia marina loatra ny filazana fa mitarika aretin'ny voa ny fisotroana tambavy, hoy i Me Jhonny mpitsabo nentim-paharazany eny Mahitsy Lalam-pirenena faha-4.

Efa 25 taona izao no naha-mpitsabo "Tradi-praticien" ahy, hoy izy, ary olona an'arivony maro no efa nositraniko tamin'ny fampiasana zavamaniry natoraly indrindra ireo voan'ny aretina voa.  Misy an'ilay antsoina hoe "effet secondaire"
avokoa ny fampiasana zavatra iray eo amin'ny fianantsika, hoy izy, fa na io vary hohaninana isan'andro io aza rehefa atao be loatra ny fatrany dia mety hankarary ny vavonin'ny tena. Tahaka izany koa ireo fanafody ara-tsimika ampiasain'ny dokotera mpitsabo mahazatra io sy ny tambavy omen'ny mpitsabo nentim-paharazana ireny rehefa mihoatra ny dozy tokony hampiasana azy. Samy manana ny fahaizana tandrify azy  araka izany na ireo dokotera manome fanafody ny marary tonga ao aminy na ireo mpitsabo nentim-pahazana manome tambavy an'ireo manatona azy ireo ka tsy afaka hifampitsabaka amin'ny fatra tokony omeny ny marary manatona azy tsirairay avy. Avy amin'Andriamanitra avokoa, hoy ity mpitsabo nentim-paharazana iray ity, ny olombelona sy zava-maniry ka mifampiankina tanteraka.Marihako fa nisotra tambavy ny ankamoaran'ny ntaolo Malagasy taloha nefa naharitra an-jato taonany mahery ny taham-pahaveloman'izy ireo.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT