Fahasalamana

Materinité Befelatanana Nisitraka fanafody sy fampitaovana avy amin`ny JICA


  • Talata 04 Desambra 2018

Mba hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan`ny reny sy ny zaza eo am-piterana dia nanolotra fanafody sy fampitaovana ho an’ny Maternité Befelatanana, ny masoivohon’i Japon eto amintsika.

 

Hahafahana manatanteraka fandidiana maimaim-poana ho an’ny reny hiteraka 75 isa mila izany ireto fanomezana ireto, no sady hahafahana mandray an-tanana maimaim-poana ny fahasarotam-piterahana miisa 30 ihany koa. Tafiditra ao anatin’ny pôlitikam-pampandrosoan’i Japon, araka ny nambaran’Atoa Ichiro Ogasawara, masoivoho japoney eto amintsika, ny antoka ho an’ny maha-olona, izay miseho amin’ny fampivelarana ny tsirairay, fa izany no antoky ny fampandrosoana ny firenena. Nohararaotina ihany koa, noho izany ny andron’ny omaly, nampahafantarana an’ireo fiaraha-miasa niarahan’ity firenena ity tamin’ny governemanta malagasy sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Isan’izany ny fanolorana irony “rampe d’accès” irony, ho an’ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza ao Befelatanana, izay manamora kokoa ny fivezivezen’ny marary sy ireo mpitsabo manaraka azy ireny. Isan`ny faritra nisitraka fanomezana ihany koa ny hôpitalin’Ambovombe Androy indray ka santionan’ny zava-bita ny fanitarana ny hôpitaly, ny fanolorana fiara mpitondra marary, ny fanatsarana ny efitrano fandidiana ary ny fanolorana fampitaovana hampiasaina ao anatiny. Iray amin’ireo firenena mbola manana taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ambony dia ambony i Madagasikara ary tsy niova mihitsy ny tarehimarika, nandritra ny taona maro, araka ny nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rantomalala Harinirina Yoël , fa dia  478 amin’ny zaza 100 000 teraka. Marihana fa vehivavy 10 isan`andro no mamoy ny ainy, vokatry ny fiterahana, eto Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT